Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanidia: nataon’ny CUA « béton » ny lalana

Ambanidia: nataon’ny CUA « béton » ny lalana

Natao “beton” ny lalana, simba matetika eo Ambavahadimitafo- Ambanidia.

Nitarika ny fahasimban’ny lalana ny fahavakisan’ny fantsondranon’ny Jirama eo afovoan’ny arabe, hihazo an’i Manakambahiny iny. Simba efa ho tapa-bolana mahery izany ka niteraka fitohanan’ny fiara. Vitan’ny Jirama ankehitriny ilay fantsona, vao afaka nanamboatra lalana ny eo anivon’ny boriborintany II. Nitarika izany ny delege, Rabarioelina Jeannot, sy ireo ekipa teknika mpiara-miasa aminy. Niantoka ny hoenti-manana amin’izany ny eny an-toerana. Tsy niandry ela ny tompon’andraikitra, araka ny toromarika avy amin’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, fa nandray andraikitra avy hatrany rehefa niseho izany. Paikady manokana entina hisorohana ny fiitaran’ny fahasimbana izany ary tsy tokony hisy intsony ireny lavaka be mangitsokitsoka ireny vao atao ny fanamboarana. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany asa vaventy momba ny lalana etsy Ambatoroka, efa manomboka ratsy ihany koa ary miteraka fitohanan’ny fiara hatreny Ambanidia.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.