Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tolo-kevitry ny Ivon-toerana Safidy: “Ho didy tsy azo ihodivirana ny mifidy “

“Noho ny fihenan’ny taha-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana nifandimby farany teo, anisan’ny adihevitra sy fandalinana lalina tokony hataon’ny mpisehatra rehetra ny fametrahana ny fandehanana mifidy ho didy tsy azo ihodivirana.

Io ny anisan’ny soso-kevitry ny Ivon-toerana Safidy, teny Ambatonakanga, omaly, hanatsarana ny fikarakarana fifidianana sy hisorohana ny fomba ratsy amin’ny fifidianana. Mila fampiharana tsy misy fepetra ny lalàna, tena zava-dehibe ary tsy maintsy hamafisin’ireo rafitra tomponandraikitra amin’izany toy ny Ceni sy ny HCC.

Eo koa, ohatra, ny amerenana na anatsarana ny lalàm-pifidianana dieny izao. Mba hananana lalàna vita fankatoavana roa taona mialoha ny fifidianana, 2024. Hampitomboina ny fotoan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sy fitsapa-kevi-bahoaka.

Hatao ho fomba fiasa ny fanokafana kaonty amin’ny banky, ferana ny fandaniana amin’ny fampielezan-kevitra, hamafisina ny fepetra hisian’ny tsy fitanilana eo amin’ireo rafi-panjakana hanafoanana ny fampiasana ny fahefam-panjakana mandritra ny zotram-pifidianana.

Ho mandavantaona ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana

Tokony ho mandavantaona koa ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana. Asiana fe-potoana manokana hamaranana izany manaraka ny lamina teknika, ka hisy lisitra voarafitra tsara azo ampiasaina amin’ny fifidianana iray. Tokony hazava  ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknina sy ara-bola.

Efa tokony hirosoana ny fanatsarana ny serasera ataon’ny Ceni momba ny fifidianana sy ny fangaraharan’ny fampiasam-bola mandritra ny fifidianana eo amin’ny Ceni, ny HCC, firaisamonina sivily…

Soso-kevitra koa, ohatra, ny fanentanana ny olom-pirenena ho sahy hitoroka na hampiditra fitoriana. Maika ny fikarakarana fiofanana ho an’ireo mpisolovava momba ny fifanolanana. Halavaina ny fe-potoana fikirakiran’ny HCC ireo antontan-taratasy fitoriana. Hamafisina ny fikirakirana sy ny fandraisana an-tanana ny fanitsakitsahana ny lalàna hita.

R.Nd.

Vitsy ny tena voafidy

110 (na 73%) ireo depiote (avy amin’ny antoko politika rehetra) no voafidy amin’ny taham-pandraisana tena izy tsy mihoatra ny 20%.

31 (na 20% ) ny depiote dia voafidy amin’ny taha tena izy eo anelanelan’ny 20% sy 30%.

Miisa 8 na 5% ireo depiote voafidy amin’ny taha 30% ka hatramin’ny 40%.

Iray ihany ny depiote voafidy amin’ny taha  ambonin’ny 40%.

Iray ihany ny voafidy tamin’ny taha ambonin’ny 50% (55,21%).

 

Les commentaires sont fermées.