Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

“One man Silo”
Nisafidy ny Piment Café Behoririka indray i Silo, hizarany ny mozikany. Manome fotoana ireo mpankafy azy, manomboka amin’ny 9 ora alina, izy, anio. Fotoana hanehoany irery ireo talenta marososona ao amin’ity mpanakanto ity izany. Mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry karazan-javamaneno maro, samy holalaoviny mandritra ny fiarahana.

I Mbola Talenta, i Fara Gloum ary i Orad Manalina
Ho tafaraka indray izy telo mianadahy ireto, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Twenty Six Karibotel Analakely. Tsy miala amin’ireo vazo arahin-gitara sy vata maro afitsoka, hira vahiny sy malagasy ary nanamarika vanim-potoana maro ihany koa. Maromaro ireo hira niarahan’i Mbola talenta, i Fara Gloum ary i Orad Manalina izay alahatr’izy ireo amin’ity fiarahana ity.

nangonin’i Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.