Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny “Pazzapa Kids”: manohy ny lalany amin’ny mozika i Felicia

Taorian’ny “Pazzapa Kids”: manohy ny lalany amin’ny mozika i Felicia

Tao anatin’ny fifaninanan-kira Pazzapa Kids (2016) ny nahafantarana voalohany an-dRasoanirina Felicia Marie Johnsonnie. Tsy nieritreritra ny hijanona hatreo izy fa nisafidy ny hiditra lalindalina kokoa eo amin’ny tontolon’ny mozika, izay efa tiany hatramin’ny fahazazany. Miara-miasa amin’i Didow, mpanakanto, i Felicia amin’ny famoronan-kira.

Eo amin’ny gadona, mankafy Rn’b i Felicia, saingy mivoy sy mirona kokoa amin’ny “pop rock” ny mozika ataony. Hasongadiny ihany koa ny “zouk love”. “Efa ianao”, io ny lohatenin’ny vokatra navoakany voalohany, tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Hivoaka tsy ho ela ny vazo manaraka, mitondra ny lohateny hoe « Nolalaoviny ». Ho tazana any amin’ny fahitalavitra samihafa any ny rindrantsarin’ity hira ity, amin’ny faran’ity volana ity.

Mametraka tanjona ny ho lasa lavitra amin’ny fizarana ny soa sy ny kanto ho an’ny mpankafy mozika i Felicia. Tsy izay ihany anefa fa fanambiny ny hitondra anjara biriky amin’ny fanabeazana satria tokony hitondra hafatra, mamolavola fiarahamonina mirindra sy miray hina, ny zavakanto, araka ny fomba fijeriny. Manampy sy manohana azy amin’ny fanaovana mozika ny ray aman-dreniny. I Felicia, rahateo, mbola manohy ny fianarany.

Randria.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique