Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra –  «Can 2019»: tafakatra amin’ny manasa-dalana i Nizeria sy i Sénégal

Kitra –  «Can 2019»: tafakatra amin’ny manasa-dalana i Nizeria sy i Sénégal

Samy tafita amin’ny dingana manasa-dalana amin’ny “Can” ny Liona Teranga avy any  Sénégal sy ny  Voromaherin’i Nizeria. Samy nandavo ny mpifanandrina taminy avokoa ireto ekipa roa ireto.

Ekipa voalohany tafakatra. Resin’i Sénégal tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, i Benin tao amin’ny kianjan’ny 30 Jona ao Le Caire, Egypta. Nitondra izao fandresen’ny Liona izao ilay mpilalao eo afovoan’ny kianja, i Idrissa Gana Gueye, rehefa nahazo tolotra tsara avy any amin’i Sadio Mané, minitra faha-70. Nikobana ny haraton-dry zareo Beninoa, nandrasan’i Saturnin Allagbé. Nialoha izany sy ny taorian’io, efa imbetsaka ny baolina tokony ho tafidtry ny Senegaley, saingy tsy tao ny vintana ho azy ireo. Niezaka ny hanasahala ny isa koa ny mpilalaon’i Benin, tamin’ny alalan’i Kalidou Koulibaly, tany amin’ny minitra 90+2, saingy tsy tafiditra izany. Tapitra teo ny nofinofy ho azy ireo. Nahavita ady sahala inefatra sy resy indray mandeha tamin’izao “Can” iza i Benin. Manohy ny lalany any amin’ny manasa-dalana kosa ry Mane sy ny namany ka hihaona amin’ny mandresy eo amin’ny Barea sy i Tonizia.

Nanao “Mondial” sy nibata ny “Can”

Etsy andaniny, mazava ny nandresen’ny Nizerianina ny Bafana Bafana afrikanina tatsimo tamin’ny iasa 2 no  ho 1. Nampiditra ny baolina nitondra ny tapakilan’ny Voromahery izao i Chukwueze, minitra faha-27. Nosalahain’i Akpeyi izany, minitra faha-71. Nanindry hatrany anefa ny Nizerianina ka nampiditra ny baolina faharoa ho azy ireo i Ekong, minitra faha-89. Hiakatra amin’ny manasa-dalana ary hifanandrina amin’ny mandresy eo amin’i Alzeria sy i Cote d’Ivoire izany ny Super Eagles. Efa in-14 izy ireo no tonga amin’izao dingan’ny manasa-dalana izao raha in-17 ny fandraisany anjara eo amin’ny “Can”. Nandresy an’i Kameronina 3 no ho 2, nialoha izao dingan’ny ampahefa-dalana izao. Resin’ny Barea kosa anefa tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ary laharana faharoa, niray sokajy tamin’i Madagasikara. Na izany aza, efa nibata ny amboaran’ny “Can” izy ireo ny taona 2013.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.