Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Bekapaika: hapetraka ny Bataillon opérationnel avancé

Kaominina Bekapaika: hapetraka ny Bataillon opérationnel avancé

Nidina nijery ifotony tany amin’ny kaominina Bekapaika, distrikan’i Tsaratanàna, faritra Boeny, amin’ny hanombohan’ny asa fanamboarana ny Bataillon opérationnel avancé (BOA) any amin’ity kaominina Bekapaika ity ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, afakomaly. Hoenti-manatanteraka ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izay laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny anton’izao, araka ny fanazavan’ireto tompon’andraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena ireto. Ao amin’ny kaominina Bekapaika no hanorenana izany. Nambarany tamin’izany fa hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ary miantoka ny vola lany rehetra amin’izany ny fanjakana, araka ny fanazavan’ny praiminisitra. Natao izao tetikasa izao ho fanatsarana sy ho fanamafisana ny fandriampahalemana any an-toerana. Fanamafisana hatrany ny finiavan’ny fitondram-panjakana hitondra ny filaminana ho an’ny vahoaka any ambanivohitra ny anton’izao.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique