Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fintsinjarana ny vola

Tsara ny lalao natao, nody ventiny ny rano natsakaina, nandresy lahatra ny Barea feno voninahitra sy nahazo laza Gasikara diboka hafaliana ny vahoaka malagasy. Tsy afaka tsy ho resahana ihany koa anefa ny vola atolotry ny CAF izay voafetra arakaraky ny fahombiazan’ny ekipa-pirenena tsirairay : izay tonga any amin’ny 1/8 de finale 800.000 dollars  na  2, 9 miliara ariary  efa manafosafo ny 15 miliara fmg, any amin’ny 1/4  1.500.000 dollars kely foana dia indroa avo heny, 2.000.000 ho an’izay tonga eo amin’ny fikatrohana farany ary 4.000.000 na 80 Miliara fmg ho an’ny firenena mibata ny amboara.

Ny ekipa, ny federasiona sa ny firenena no mandray an’io vali-pahaizan’io ? Tokony efa nalamina mialoha ary nanaovana fanambarana mba ho nisin’ny mangarahara fantatry ny be sy ny maro. Rariny moa raha manana anjara mivaingana ireo miramila nahazo ny fandresena na mpilalao na mpanomana, anjara lehibe koa ny ho an’ny federasiona, mety ho eo koa ny ampahany ho an’ny fanjakana famporosihana hampiroborobo ny fanatanjahan-tena.
Tsy misy ahafantarana firy ny vola kirakirain’ny federasiona, matevitevina ihany angamba no afaka hieverana azy raha vinavinaina amin’ny adin’ny jiolahim-boto tazana avy aty ivelany ifanaovan’ireo olona sy ankolafin’olona mifanandrana samy tia andrombaka ny fitondrana. Nefa angamba mbola tsy nahatratra an’izany ampolony maromaro na miliara izany ny teti-bola, ka raha vao miala avy eo ilay delegasiona nitarika vonjy maika dia raikitra ny ady saritaka. Sarotra no hiteny tsy fahampin’ireo raiamandreny fitiavana ny baolina, fa matetika resin’ny fitiavam-bola izay fitiavam-baolina izay.
Dia ahiana hivadi-potaka toy ny ranon’Anony ve ny Federasiona «tonga vola vahiny ooa hitombo fahasahiranana ?».
Toy ny ankamaron’ny sehatra rehetra eto an-toerana ny ao amin’ny fitantanana ny fanatanjahan-tena ary manokana ny ao amin’ny fitantanana ny baolina kitra, tsy dia ny lalàna no tsy misy, fa ny fanodikodinana lalàna mba tsy hiharany no betsaka. Nilaza moa ny fitondrana tampony fa ny famerenana ny lalàna sy ny fampiharana azy amin’ny laoniny no fototra sy antoky ny fanovana imasoany. Afaka heverina arak’izany ny fiovan-toetra an’ireo manolo-tena amin’ny fifaninanana ho filoha sy mpitantana ny federasiona. Ato aorianan’ny vokatra tany Egypta iny tsy hanaiky fanaovana baranahana eo amin’ny fitantanana ny mpanao baolina rehetra na inona na inona sokajy misy azy, ary ny mponina koa dia manara-maso akaiky ka tsy anaiky fihemoran’ny vokatra.


Léo Raz

Les commentaires sont fermées.