Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitoniana… Hakana lesona!

Fitoniana… Hakana lesona!

Aoka ho tony na eo aza ny faharesen’ny Barea. Tsy maintsy ny mandresy ary misy ny resy.  Izay ny fanatanjahantena. Na inona na inona, hatreo izany ny takatry ny hoza-pentsika na  niezaka nanao ny ainy tsy ho zavatra sy nanotona ny herim-pony sy ny tanjany ary ny sainy miaraka amin’ny farafahaizany manontolo aza ry zalahy. Tena nanao sy niady izy ireo. Ho an’ny Malagasy rehetra, efa nahazo ny “Can” ialahy isany… Mendrika sy nitondra avo ny voninahi-pirenena nananika ny tendron’i Afrika nefa vao sambany niakatra amin’ny dingana ambony tahaka izao. Tsy atao mahakivy izany ary aoka tsy hifanome tsiny fa vao mainka aza hampitraka sy hanao ny tsara kokoa amin’ny manaraka. Nataonareo nahalala ny anaran’ny Barea i Afrika sy izao tontolo izao ary nanaiky tanteraka. Nomen’ialahy isany lesona ny Malagasy. Nampiray sy nampiombom-po ny rehetra ianareo. Tokony hotohizana izany firaisankina izany hanehoana fa reharehantsika sady kolontsaintsika. Avelantsika ny mampisaraka rehetra fa hiara-kirona hatrany…

Amin’ny sehatra rehetra: fiarovana ny harem-pirenena, ny kolontsaina, ny tontolo iainana, manandratra ny hambompom-pirenena.
Aleo ho ambony ny toe-tsaina sy ny fanantenana amin’ny atao  rehetra. Efa nihoatra  ny nofionofy isika ka azo atao ny mampiakatra izany hatrany amin’ny atao rehetra… Tsy tokony ho faty intsony izao afom-pitiavan-tanindrazana niredareda nasehontsika tao anatin’ny herinandro maromaro izao. Iray ihany nanoloana ny Barea… Hanakaiky an’i Rwanda amin’ny fandrosoana isika raha mitohy ny tahaka ireny. Tsy nofinofy izany. Mandra-piandry izany,  hotsenaintsika amin’ny fomba manetriketrika ny Barea satria nanoratra ny tantara tsara  ho an’ny firenentsika. Mendrika ianareo rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ka nahatongavana amin’ireny dingana ambony ireny. Aoka ho tony… Makà lesona ! Misaotra ny Barea !

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique