Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fito volana aty aoriana: tratra i Alphonse, gadra nitsoaka an’Ambatavoahangy

Fito volana aty aoriana: tratra i Alphonse, gadra nitsoaka an’Ambatavoahangy

Voasambotry ny polisin’ny fandraharahana fonja (brigade d’intervention penitentiaire) tao amin’ny fokontany Salazamay, omaly, Rajaonarison Roby Alphonse, niditra ny fonjan’Ambalatavoahanagy ny 12 novambra 2018 ary tafaporitsaka ny fonja ny 27 novambra lasa teo. Raha hiverenana ny raharaha momba ity gadra nitsoaka ny fonja ity, resaka ady tao Ambalamanasy no niandohan’ny raharaha. Nisy ny fakana vola tamina fokonolona efa anarivony fa misy tany amina hekitara hozaraina. Nilaza izy fa mila mandoa latsakemboka 20 000 Ar hatramin’ny 50 000 Ar arakaraka ny haben’ny tany refesin’ny olona iray. Tsy izay anefa ny zava-niseho tamin’izany fa niseho nanohitra izany ny ramatoa mpandraharaha iray ao an-toerana. Nisy mihitsy ny fifandonana sy fikasihan-tanana teo amin’ny roa tonta ary niafara tamin’ny fandrahonana ho faty. Tsy naharitra ilay niharan’ny fampihorohoroana ka nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Voasambotra i Alphonse ary notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ka afaka noho ny fisalasalana. Tsy vita ny ady nifanaovan’ny roa tonta fa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny ambaratongam-pitsarana ilay ramatoa ka niafara tamin’ny fisamborana an’i Alphonse. Nosamborin’ny polisin’ny Fip tao Ivoloina i Alphonse ary efa nisy ny fitsarana azy ka voaheloka hamita sazy roa taona an-tranomaizina sazy mihatra izy.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique