Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitifirana tao Soahazo Betroka: mitaky fanadihadiana ny fianakavian’ny maty

Mitaky fanadihadiana tsy mitanila avy amin’ny fanjakana ny fianakavian’ireo maty, voalaza fa notifirin’ny zandary tao Soahazo, kaominina Ivahona any Betroka. Mangataka ny hivoahan’ny marina izy ireo. « Tsy misy fantatray ny anton’iny hetsika nataon’ny zandary teto iny satria niara-niasa tamin’ny mpitandro filaminana hatrany izahay teto”, hoy ny solontenam-pokonolona nitondra ny fitarainana. Notsipahin’izy ireo ny filazana an’i Soahazo ho tanànan’ny dahalo sy ny nandraofana omby halatra efajato tao. « Voafitaky ny tena dahalo, efa nanafika anay teto, ny zandary ka nataony fitaovana hamaliana faty », hoy izy ireo. Notsiahivin’ny mponina ao an-tanàna fa ireo olona nitarika zandary handripaka azy ireo no namono ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary ao Betroka nandritra ny fifampitifirana niarovany an’i Soahazo tamin’ny fanafihan’ireto olona ireto tamin’ny 2015.

Tonga vao maraina tao Soahazo ny zandary, ny 28 jona, ary nanao tifi-davitra avy hatrany, nandoro trano efatra ary nitifitra ny ray aman-dreny saika hanontany ny anton’io hetsika io. Rava fananana ny mponina. May ny tahirim-bary ankoatra ny vola ary ireo omby 400 nalain’ireo sivily niara-dia tamin’izy ireo. Tsy nisy fifamaliana tifitra tamin’io fotoana io satria nandositra ny vatan-dehilahy. “Aoka hotandrovina ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahamarinana mifanandrify amin’ny fanadiovana ezahin’ny mpitondra”, hoy izy ireo.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.