Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana: mitohy ny CEPE, tsy misy fialan-tsasatra amin’ny fahavaratra

Fampianarana: mitohy ny CEPE, tsy misy fialan-tsasatra amin’ny fahavaratra

Nisantarana ny taom-pianarana 2017-2018 ny fampiharanan ny tetipivoarana ho an’ny fanabeazana, PSE 2017-2021 manomboka amin’ny akany fibeazana hatramin’ny ambaratonga ambony. Nakisaka tsikelikely ihany koa ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana hahatratra ny tanjona miditra ny volana marsa ary mijanona ny volana desambra ny fampianarana amin’ny ambaratonga telo (EPP-CEG ary lycée). Ny taom-pianarana 2018-2019, ny volana novambra 2018 lasa teo vao niroso tamin’ny fidirana ny mpianatra ary ny 30 aogositra ny fitsaharan’ny fampianarana ho an’ny ambataronga telo. Raha ny tokony ho izy, akisaka iray volana hatrany ny fidirana ho an’ny taom-pianarana manaraka ka amin’ny taom-pianarana 2023-2024 vao ho tanteraka ny fanombohana volana marsa. Nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana sady minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo Fienena Felicitée, anefa fa tsy manaiky ny fametrahana ny fialan-tsasatra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra ny mpikambana ao amin’ny governemanta ka hodinihina ny fanamboarana ny tetiandrom-pampianarana.

Vita ny tomban’ezaka ho an’ny roa taona 

Anisan’ny fanovana napetraky ny PSE koa ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE satria diplaoma tsy ilaina amin’ny fitadiavana asa akory izany. Nanamafy koa ity minisitry ity fa mitohy ny fanomanana sy ny fanatanerahana ny fanadinana CEPE ho an’ny zaza malagasy. Isika Malagasy no mametraka ny drafitra hanatanterahana ny PSE fa manohana izay lamina na fanavaozana fotsiny ny mpanohana vola sy teknika. Manombana ny ezaka vita rehetra amin’ny fampiharana ny PSE tao anatin’ny roa taona voalohany ny tomponandraikitra rehetra voakasika, mandritra ny hateloana eny Anosy. Hojerena ny lesoka rehetra sy ny fanovana ilaina.

Vonjy A.       

Les commentaires sont fermées.