Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana: mamono ankizy ny rivotra maloto

Zava-doza ho an’ny fahasalaman’ny ankizy ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Eto Madagasikara, tombanana fa ny 20% amin’ny fahafatesan’ny zaza (zaza maty iray amin’ny dimy), vokatry ny fahalotoan’ny tontolo iainana avokoa, araka ny fanambarana avy amin’ny Unicef. Maneran-tany, mamono zaza fito (7) tapitrisa ny fahalotoan’ny rivotra iainana. Ho fanairana ny sain’ny rehetra sy ny mpitondra fanjakana, misy ny atrikasa ho fanentanana ny daholobe momba ny olana ateraky ny fahalotoan’ny tontolo iainana, indrindra ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Nikarakara ny hetsika ny ONG Pure Earth sy ny Unicef izay sambany nanomana dinidinika momba ity olana ity hatramin’izay. Nivoitra tao anatin’ny fifampizarana fa miseho amin’ny endrika maro ny fahasimban’ny tontolo iainana ary marobe ny voka-dratsiny, indrindra ho an’ny kilonga. Mety ho voan’ny fahalotoana avokoa ny rano, ny rivotra fohina, ny tany…Misy ny hita maso mivantana toy ny setroka fiara fa tena manimba ny tontolo iainana ho an’ny ao an-tokantrano koa ny arina fandrehitra sy ny toerana mihiboka (tsy mahazo masoandro sy rivotra madio). Hita taratra izany rehefa mizaha fahasalamana ny amin’ny dokotera ny zaza madinika eto an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Eo ny fahalotoan’ny rano noho ny fangerena ankalamanjana mbola mahazo vahana.

Misy ny vahaolana ary manomboka amin’ny tsirairay. Ahena ny fampiasana ny arina fandrehitra ary hamafisina ny fitsirihana ireo fiara mandoto rivotra noho ny setroka avokany. Nametraka drafitrasa iadiana amin’ny fahalotoan’ny rivotra iaiana ny ONG Pure Earth.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.