Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faharesena tany Egypta: tsy nitanondrika fa nitraka :  “Alefa  Barea” ny Malagasy

Faharesena tany Egypta: tsy nitanondrika fa nitraka :  “Alefa  Barea” ny Malagasy

Na tsy tahaka ny fandresentsika an’i RDC Congo aza  ny zava-misy omaly alina, mbola  nihiaka sy niantso ary nankasitraka ny Barea ny ankamaroan’ny  Malagasy. Nampaneno ny anjombon’ny fiara, nitsoka kiririoka, nisalotra sy nirehareha tamin’ny akanjo sy ny saina ary koa ireo famantarana ny Barea avokoa ny rehetra. Nanampy izany  afomanga sy ny “bampamp”. Analakely, Antanimena, Soarano. Hatrany 67 ha sy ireo faritra  manodidina ny  Renivohira, samy  nisehoan’izany fihetsiketsehana izany avokoa. Tsy naneho hakiviana na niondrika fa naneho ny fitiavana ny ekipam-pirenena. Nanaiky fa izay ny baolina kitra.

Handray anjara amin’ny fifanintsanan’ny Can 2021

Tsy azo hadinoina rahateo fa hiverina hanao “Can 2021” indray sahady ny Barea ny volana oktobra izao. Any indray mifankahita. Tapitra hatreo aloha izany ny lalan’ny ekipam-pirenentsika tamin’ity andiany  iray ity. “Alefa  Barea”, “Aiza izahay izay resy eo”, hoy hatrany ny rehetra.

Synèse  R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique