Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Can 2019” –TCL: azon-dRaselison Haja ny tapakila ho any Egypta

“Can 2019” –TCL: azon-dRaselison Haja ny tapakila ho any Egypta

Tontosa, omaly teny amin’ny Atelemec Ankorondrano, ny fisarihana ireo tsara vintana, nandray tamin’ny tombola, nokarakarain’ny Uditec sy ny marika TCL. Lalao nandraisan’ireo mpanjifa ity vokatra ity anjara tamin’ny alalan’ny fividianana entana amin’ny marika TCL. Loka goavana ny nozaraina, toy ny fahazoana tapakila hiatrehana ny lalao famaranan’ny “Can” any Egypta ho an’ny voasarika voalohany ary fahitalavitra Ecran Plat ho an’ny voasarika faharoa, miampy fanamiana Barea. Raselison Haja ny nandrombaka ilay amboara lehibe. Marihina fa nisokatra nanerana ny Nosy ity lalao tombola nokarakarain’ny Uditec sy ny marika TCL ity.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique