Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: taksiborosy nahatrarana rongony roa gony

Antsirabe: taksiborosy nahatrarana rongony roa gony

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny commissariat central Antsirabe noho ny fitondrana rongony hiakatra hamonjy eto an-dRenivohitra ny lehilahy miisa efatra, ny talata lasa teo. Nandritra ny sakan-dalana nataon’ny polisy tao Antsirabe tamina taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy Antananarivo no nahatrarana ireto rongony milanja 9 kg natao tanaty gony miisa roa sy selofanina iray ireto. Tratra niaraka tamin’ireto zava-mahadomelina ireto ny lehilahy roa izay fantatra fa tompon’entana. Avy any Ihosy ny nakan’izy roa lahy ireto rongony ireto ary nifindra fiara tao Fianarantsoa izy ireo ka saika hamidy eto an-drenivohitra. Ny alarobia maraina teo no nahatrarana ireto zava-mahadomelina ireto nandritra ny fisavana nataon’ny polisy tao Antsirabe. Tratra ihany koa ireo roa lahy niray tsikombakomba tamin’izy ireo tamin’ny trafikana zava-mahadomelina ity. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa avy any Ambovombe ny nakana izy ireo.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique