Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amboletra amin’ny fanorenana tsy ara-dalàna: voatsipaky ny fitsarana ny fangatahan-dRaholdina Naivo

Amboletra amin’ny fanorenana tsy ara-dalàna: voatsipaky ny fitsarana ny fangatahan-dRaholdina Naivo

Aleo handeha amin’ny ara-dalàna… Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fanafoanana ny didim-panjakana manoloana ny fanorenana tsy ara-dalàna, eny Alarobia, araka ny fanapahan-kevitra nivoaka, ny 10 jolay teo. Nolavina izany fangatahan’ny tompon’ny asa fanorenana, ny depiote Raholdina Naivo, izany. Tsiahivina fa nahatsikaritra fanorenana tsy ara-dalàna eny an-toerana ny eo anivon’ny polisin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Nataon’io depiote io eo amin’ny tanin’ny Asa vaventy izany fanorenana izany. Naharay tatitra ny minisitera, ny 30 avrily teo, fa tsy nisy fahazoan-dalana ny fanorenana. Nivoaka ny andron’io ny didim-panjakana nampitsahatra ny asa. Mbola nanao amboletra nanohy ny asa ihany anefa ity solombavambahoaka ity ka namoaka didim-panjakana vaovao ny minisitera.

Nolavin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nangataka fanafoanan io didim-panjakana io ny ity depiote eny amin’ny boriborintany fahadimy ity, saingy nolavin’ny filanevi-panjakana. Nidina ifotony ny vadintany nijery ny fanorenana tsy ara-dalàna. Anton’ny fampitsaharana izany fanorenana izany ny tsy fahatomombanan’ny fahazoan-dalana hanorina. Efa nolavin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) koa ny fanomezan-dalana hanorina noho ny tany an’ny orinasa iray fa tsy an-dRaholdina Naivo, tompon’ny asa fanorenana tsy ara-dalàna, akory. Hita amin’ny antontan-taratasy farany navoakan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.