Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimanga – Rova: tratra ireo tambajotra mpanodinkodina omby halatra

Ambohimanga – Rova: tratra ireo tambajotra mpanodinkodina omby halatra

Saron’ny zandarimaria avy ao amin’ny borigadin’Ambohimanga Rova tao amin’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano, afakomaly alina, ireo tambajotrana mpanodinkodina omby halatra…

Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa andian-jiolahy tsy nitondra basy fa nampiasa tora-bato hampitahorana tompon’omby ny nanao io fanafihana io, tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Adiny telo taorian’izay vao nahaheno ny mpitandro filaminana. Rehefa nantsoina ny tompon’omby nanara-dia, tsy nandray telefaonina. Roa andro taorian’ny halatra, tafaverina ny roa amin’ireo omby ireo izay nomarihin’ny zandary fa ny tompon’omby ihany no naka ny omby tany amin’ireo mpangalatra. Nahazo angom-baovao ny zandary taty aoriana ka fantatra tamin’izany fa mpinama ny tompon’omby sy ireto mpangalatra. Vokatry ny valifaty noho ny tsy fahavitan’ity tompon’omby ny vola vidin’omby novidiany teo aloha tamin’ireo mpangalatra ny nahatonga ny fanafihana. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana fa omby tsy mazava avy any amin’ny faritra avaratra ireo omby namidin’ny mpanafika tamin’ny tompon’omby. Ilay tompon’omby indray no nitady lalam-barotra hivarotana ny hena. Lafo ny hena vao aloa ny vidin’omby. Vokany, tambajotra misy ny mpandroaka ny omby halatra, ny mpividy omby halatra ary ny mpivaro-kena no tratra ka nampihodina io asa ratsy io ny tompon’omby. Miisa dimy, araka izany, ireo voasambotra miaraka amin’ny tompon’omby ary roa hafa mbola karohina.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique