Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AFD sy ONTM: havaozina ny sekoly INTH

Natao ny 3 jolay teo ny sonia fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fiaraha-miasa (AFD) sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Votoatin’ny fifanarahana ny hampiroboroboana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fizahantany sy ny fampiantranoana (INTH).

Mitentina 2 tapitrisa euros (8 miliara ariary) ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD ary maharitra dimy taona ny tetikasa. Ao anatin’izany ny fanavaozana ny tolotra sy ny fiofanana omena ny INTH, ny fanavaozana sy ny fanitarana ny trano sy ny fotodrafitrasa, hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro, mifanaraka amin’ny paikady nasionaly vaovao hampandrosoana ny fahaiza-manao (SNDC-THR), novolavolain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana momba ny asa, ho an’ny fe-potoana 2015-2020.

Njaka A.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique