Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lehilahy iray 79 taona no maty voatifitry ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana rehefa nikapa ala tao Marokoloy, distrikan’i Maevatanana, afakomaly maraina. Araka ny fanazavana voaray, tompon’andraikitra miisa sivy no nidina tao an-toerana ka tamin’izany no nahitana telo mianaka nitrandraka ala tamin’io toerana io. voalaza fa nampitandrina ity tompon’andraikitry ny tontolo iainana ka namaly ilay raim-pianakaviana, niharan’ny tifitra avy hatrany. Voatifitra teo amin’ny kibony ilay niharam-boina ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly Maevatanana, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Tazonina ao amin’ny zandary ilay nahavanon-doza.

Nanome toromarika hialana amin’ny fanakorontanana sy fanimban-javatra ny eo anivon’ny CIM, ny administratera sivily Randriamahafehy Briand Philippe manoloana ny ezaka fanatsarana ny fanomezana fahazoan-dalana hamily fiarakodia sy ny carte grise biometrique ataon’ny fanjakana. Efa mizotra tsara amin’ny tokony ho izy izany. Misy ny fepetra raisina momba ny filaminana ary aoka hitondra kara-panondro izay hanao raharaha eny anivon’ny CIM ary farany, hanaraka ny fandaminana hanafainganana ny tolotra omena ny vahoaka.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique