Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsaralalana: lasa ny vola 100 tapitrisa Ar, vehivavy iray voatifitra ny takolany

Nihoron-koditra ny olona ! Nitrangana fanafihan-jiolahy roa nandeha moto teny Tsaralalana, omaly tamin’ny 12 ora sy 30 mn. Mpivady avy nanakalo vola vahiny tao amin’ny banky iray eny Tsaralalana no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, vola mitentina 100 tapitrisa Ar no tany amin’izy mivady rehefa avy nanakalo vola vahiny tao amin’ity banky iray ity. Teo am-pivoahana ny banky izy ireo no nandrasan’ireo jiolahy teo amin’ny arabe. Nitifitra avy hatrany ry zalahy sady naka an-keriny ny vola tamin’ny sakaosy teny amin’izy mivady. Vokany, lasa ny vola raha voatifitra teo amin’ny takolany koa ilay renim-pianakaviana. Nambaran’izy mivady, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany fa tsy nisaron-tava ireto jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ireto. Lasa nirifatra nitsoaka kosa ry zalahy rehefa nahazo ny vola teny amin’izy mivady. Ankoatra ilay vola 100 tapitrisa Ar dia nisy vola vahiny euros sy dolara lasan’ireo mpanafika. Nentina haingana eny amin’ny hopitaly HJRA kosa ireto mpivady niharan’ny fanafihana ireto. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao amin’ny Commissariat Central, ny CSP1 niaraka tamin’ny polisin’ny BC. Efa mandeha, araka izany ny fanadihadian’ny polisy momba ity raharaha ity. Ahina ho efa nanana loharanom-baovao momba ny fisian’izy mivady mitondra volabe ireto jiolahy ireto ka nanaraka fotsiny avy aoriana, saingy ny fanadihadian’ny polisy no ahafantarana ny marina rehetra.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.