Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombitsombim-baovao

Sombitsombim-baovao

Minisitra, Tinoka Roberto, vonona hitazona an’i Nicolas Dupuis. Nambaran’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly fa tena ilain’ny atleta malagasy sy ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis. Hisy araka izany, hoy izy, ny fifanarahana hatao aminy hahafahany manampy ny mpilalao malagasy, hanandratra avo hatrany ny voninahi-pirenena, toy izao ataon’ny Barea izao. Tetsy ankilany, nanambara ihany koa i Nicolas Dupuis fa efa mitepo amin’i Madagasikara ny fony, ka raha mbola ilain’ny Malagasy izy dia vonona hifanohana hatrany, na dia efa maro be aza ireo firenena hafa sy klioba maro mangataka azy hanazatra ny ekipany.

Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : « Tsy vita any anaty birao ny fampandrosoana ny Spaoro », hoy ny Tale Jeneralin’ny Spaoro, Rakotozafy Rosa, mila midina ifotony, mifanakaiky sy mankahery mivantana ny ekipa malagasy sy ny atleta raha te hahita fahombiazana. Zava-dehibe, hoy izy, ny fahitana ny mpitantana eny anilan’ny mpilalao, mampirisika azy ireo hanana herijika sy toe-tsaina handresy hatrany izany. « Miezaka ary manao izay ho afany ny MJS amin’izao fotoana izao », hoy hatrany Rakotozafy Rosa, hanohana ny fanatanjahantena malagasy.

 

Nangonon’i Miarintsoa. Raz

Les commentaires sont fermées.