Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra Rejo-Fienena Felicité: « Ilaina ny firaisankinan’ny filohan’ny oniversite »

Minisitra Rejo-Fienena Felicité: « Ilaina ny firaisankinan’ny filohan’ny oniversite »

Tafapetraka ny herinandro teo tao Andrainjato ny filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa, Rafamantanantsoa Fontaine. Nanatrika izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohanana momba ny siansa, Rejo-Fienena Felicité. “Ilaina ny firaisankinan’ireo filohan’ny oniversite. Tokony hiaraka hiasa amin’ny mpitantana  teo aloha ianareo amin’izao fotoam-piasana izao »,  hoy izy tamin’ny lahateniny. Nentaniny koa ireo filoha  ireo hanao tahaka izany amin’ireo mpampianatra mpikaroka sy ireo tompon’andraikitra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo. Ny tokony hanatanterahan’ny  mpianatra ny  fianarany, araka ny tokony ho izy mba tsy hamitahana ny raiamandreny. Nankasitrahany manokana ny  fikarakarana tamin’ny fametrahana filoha  vaovao satria niavaka izany ary nisongadina  kokoa raha mitaha amin’ny hafa.

Hiditra amin’ny  fe-potoam-piasana  faharoa  kosa ity filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa ity ka nanamafy ny ezaka rehetra sy ny fanamby.  Eo ireo fotodrafitrasa hahombiazana bebe kokoa. Ny fanatsarana hatrany ny fiofanana. Fanitarana ny efitrano fianarana sy fanohanana ny fampiharana ny rafitra LMD. Fanamafisana ny  fahaiza-manaon’ireo mpianatra sy ny mpampianatra. Fananganana sampam-piofanana ho fampandrosoana ny toekarena  sy sosialy…  « Ahafahana manatanteraka izany ny fahaiza-mitantana ao anatin’ny mangarahara. Fiaraha-miombona antoka amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana »,  hoy  izy.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique