Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manaitra ny fanjakana ny mpandraharaha ny fonja

Manaitra ny fanjakana ny mpandraharaha ny fonja

60 taona ny fandraharahana ny fonja. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa  izany, manomboka ny 16 sy 17 jolay  izao.  Ao anatin’izany anefa, manaitra ny  fanjakana izy ireo.  « Mandala ny zon’olombelona izahay, saingy tokony hojerena ihany ny fotodraitrasa. Miantso ny fanjakana izahay. Manana borigady manokana tokony hiditra an-tsehatra  haingana amin’ny  tranga miseho (GVIR) ny  fandraharana ny fonja nefa na dia fiara iray aza tsy ananana ka tsy afa-manao izany », hoy ny tale, ny Jly Camara Didier Djibril,  omaly,  nitafa  tamin’ny mpanao gazety.  Na izany aza,  manantena ny hahazoana izany izy ireo. Niaiky koa anefa izy  ireo fa  tsy mora ny mitantana fonja ao anatin’izany tontolon’ny tsy fahampiana izany. Etsy andaniny, tsy mijanona amin’ny fiandrasana fonja fotsiny izy ireo  fa manomana azy ireny hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina  koa.  Tafiditra ao anatin’izany izao hetsika izao ka hanehoana ny tranoheva sy  fampisehoana  samihafa amin’ity fankalazana ity. Hahitana  izany etsy amin’ny fitsarana  Anosy, ny 17 jolay izao amin’ny alalan’ny vokatra samihafa sy ny asa tanan’ireo voafonja. Eo koa ny fampisehoana haiady  etsy Mahamasina  tanterahin’ireo mpandraharaha ny fonja.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.