Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolo anaka: FAHIRATAN-TSAINA – FIERITRERETANA – FIHETSEHAM-PO

Kolo anaka: FAHIRATAN-TSAINA – FIERITRERETANA – FIHETSEHAM-PO

         (Fizarana 3 )

 

  1. Dr Raharison, voalazanao teo ny fahasarotan’ny fifandraisana eo amin’ny ankizy « marani-tsaina avo lenta » (surdoué) sy ny ankizy hafa. Midika ve izany fa tsy manampy azy ny faharanitan’ny sainy eo amin’ny fifampikasohana amin’ny hafa ?

Na dia tsy ao anatin’ny lohahevitra aza ny fanavaozana ny rafi-pampianarana, dia hoezahintsika jerena amin’ny maso tsy miangatra ny zava-misy sy iainana any amin’ireo sekoly mahazatra hatramin’izay.

Mba alaivo an-tsaina anie fa 20 hatramin’ny 60 aza indraindray any amin’ny sekolim-panjakana ny isan’ny mpianatra ao anaty lakilasy iray. Ary mandritra ny ora maro no tsy maintsy ijanonan’izy ireo, eny miaritra aza, ao amin’ny toerana izay hety dia hety (farafahabeny 1m²/ankizy). Ny lahasan’izy ireo dia mihaino sy manatanteraka izay lazain’ny mpampianatra. Eo anatrehan’izany toe-javatra izany dia tsapa fa maro amin’ireo mpianatra no sahirana amin’ny fanarahana ny lesona, misy ny tara vao mahazo an-tsaina ny zava-boalaza, ary misy aza ny tena very tanteraka.

Toy izao kosa ny zava-mitranga eo amin’ny ankizy marani-tsaina avo lenta (surdoué) : mahatsinjo lavitra izy, mahatakatra haingana ary afaka mamakafaka vetivety ny zavatra henony sy hitany raha oharina amin’ny hafa. Vokatr’izany, rehafa miara-mianatra amin’ny ankizy hafa izy dia vetivety dia laony sy sorena ka manontany tena hoe inona no ataoko eto.

Azontsika an-tsaina fa misedra olana eo amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa ny zaza itoeran’ny fahaizana be tsy manan-tsahala. Sahirana koa anefa ny ankizy mpiara-dia aminy satria tsy dia mahay mifangaro amin’ny hafa loatra ilay zaza mahay be.Noho izany  lasa mikavihavia tsy fidiny eny manisy elanelana, fahasorenana, mety lasa alahelo eny herisetra mihitsy aza indraindray.

8.Raha izany ve dia toa lasa toy ny tarazo ho an’ilay zaza mahiratra ny mampiavaka azy amin’ny hafa ?

Rehefa misy zaza iray marani-tsaina be avo lenta dia mieritreritra avy hatrany isika fa tsara vintana sy manana tombon-dahiny io zaza io. Fa matetika nefa rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny adolantsento dia lasa iri-mahaory ny ankizy antsoina hoe « intello » na ilay mahay be noho ny hafa. Mety ialonana sy voailikilika izy, indrindra moa raha izy irery no mahita valiny tsara tsy takatry ny be sy ny maro. Izany dia vokatry ny fahafahany mandinika lalina sy ny fahaizany mamoaka fonjan-kevitra lehibe sady ampian’ny fahamatorana tsy arakaraky ny fahakelezan’ny taonany.

Ny fahamboniana ara-tsain’ny zaza dia tsy ratsy velively fa ny manodidina indraindray no be fialonana noho izay tsy fitoviana izay. Tarazo itovizantsika amin’ny toetry ny bibilava (comportement reptilien) izay nolovaintsika fony mbola mpihaza sy mpioty raha tany am-piandohana ny olombelona. Anisan’izany koa ny fiahiahiana ,ny fiarovan-tena natoraly (reflexe de défense) sy ny fihetsika iankinan’ny ain-dehibe (reflexes de survie) eny fankahalana aza. Izany no mihatra sy voatery iaretan’ny ankizy miavaka noho ny faharanitan-tsainy manokana. Ireo no azo anazavana ny tsy fitiavana sy ny tsy fandeferana mety miseho isan’andro ao anatin’ny vondron’olona iray. Tranga izay voafintina ao anatin’ilay ohabolana diso fantantsika manao hoe « Ny hazo avo halan-drivotra » izay midika ho fanilikilihana ny olona tafasandratra avo ao amin’ny fiaraha-monina.

 

 

                                                                                                                                 Nangonin’i Tatiana

                                                                                                                                             (hitohy)

Les commentaires sont fermées.