Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hosodoko: hampiranty ny sanganasany i Tiana Raparivo

Hanomboka anio ka hatramin’ny 27 jolay izao, hampiranty ny sanganasany ao amin’ny Alliance Française Andavamamba (AFT) i Tiana Raparivo. Anisany ahafantarana ity zana-dRaparivo Roland (andrarezin’ny sary hosodoko malagasy) ity ny « classique figuratif ». Raha tazanina akaiky ny tabilao iray manana io endrika io, tsy fantatra loatra ny ambaran’ny sary. Raha jerena lavitra anefa izy ireny, misongadina tsara ny ambaran’ny sary.

Anisan’ny efa nambaran’i Tiana Raparivo ihany koa ny fanovàna fitodika eo amin’ny tontolon’ny tsena sy ny fanjifana ny hosodoko. « Efa tokony ho tazana any amin’ny tokantrano malagasy tsirairay ny hosodoko », hoy izy. Anisan’ny zotra nalehany tamin’izany, ohatra, ny fanamaroana ny sanganasan-dRaparivo R.R amin’ny alalan’ny fitaovana samy hafa. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ankoatra ny fitaovana fanaovana sary fahita hatramin’izay, mampiasa ny karazana antsy kely hoenti-mandoko na mametraka ny loko ihany koa izy. Marihina fa efa nilona 40 taona tao anatin’ny fanaovan-tsary hosodoko i Tiana Raparivo.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.