Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: nieren-doza hoy ny filaza

Ny ampitson’ny fanambarana ny voka-pifidianana filohampirenena farany teo, raha nihaona ireto mpinamana roalahy izay tsy nifanafina fa samy nanana ny safidiny tsy nitovy, safidy samy hafa noho ilay lanin’ny maro an’isa, dia nifampiarahaba an-kafaliana noho ny nahavitan’ny firenena fifidianana tsy nisehoan’ny korontana hatrany amin’ny farany. Dingana lehibe no notontosain’ny fiarahamonina ary deraina avokoa ny rehetra noho ny fahendreny, na ireo nikarakara ny fanatanterahana iny fifidianana iny, na ny ankolafiny maro ao anatin’ny sehatra fanaovana pôlitika, na ny vahoaka.

Na samy tsy nahomby aza ireo mpilatsaka notohanan’ny tsirairay tamin’izy roalahy mpinamana ireto, dia nihoby ilay olona lanin’ny maro an’isa, izay noho izay antony izay dia lasa filohan’ny Malagasy rehetra. Tsy naharitra anefa ilay iray fa sady nibitabitaka no toran’ny hehy an-kafaliana saika tsy nahalaza izay tiany ambara : «Nieren-doza isika tamin’iny, soa ihany fa tsy ilay raikalahy iry no lany». Tsy takatry Ranamana iray no tian’ilay sakaizany lazaina ka nangatahany fanazavana, «iza ity resahan’ialahy tsy tononon’anarana ity ?» Nony nazava hoe iza marina ilay fositra natahorany raha lany teo, izay vao samy nahafantatra fa hay ilay mpandraharaha manana ny lazany noho ny fahombiazany eo amin’ny sehatra iasany ka maimay toy izany mihevitra azy ho dadany sy hahavita azy ka hany irery afaka hanavotra ny mponina malagasy avy ao anatin’ny fahantrana sy hampisondrotra an’i Madagasikara. Taitra araka izay ilay sakaiza iray hafa. Moa ve, hoy izy, tsy iny bandy iny no ampangain’ny olona ho atidoha anisan’ireo nikotrika ilay fisandohana vahoaka nanerena olona aman’alina handoa tsirairay vola aman’alinalina vidin’ny fanakalozana ny permis sy karta grizy tena niasa, tamin’ny taratasy sandoka namidy tao anaty biraom-panjakana?

Diso izany fitenenana hoe nieren-doza noho ny tsy nahalany ilay iny ho filoha. Efa teto an-tanàna anie ny loza tamin’ireny. Teo ihany angamba ireo olona ivelan’ny fitondrana nikotrika iny raharaha maloto iny, fa tsy tanteraka ny fahafahana manotra vahoaka toy ireny raha tsy ny tao anaty fitondrana hatrany an-tampony no niaraka namorika ny mpiray tanindrazana. Na avo toy ny inona aza ny toerana ipetrahana, dia mitampina raha tsy nahatazana ireny filaharana miala eo Ambohidahy hatreny Anosy ireny. Tsy mendrika izany toerana izany raha nanaiky niaraka ho voafitaka tamin’ny vahoaka, ary raha mody tsy nahafantatra meloka, naman’ny niaraka nitsikombakomba. Raha milaza ankehitriny fa tsy misy fandeferana, loza tsy misy ohatr’ireny. Mpamosavy malemy, ny vahoaka natao hotantanana no sady nanjakazakany no nofahanany vorika. Aiza ê !


Léo Raz     

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique