Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitadiavam-bola: miroborobo ny zaitra sy ny asa tanana “Barea”  

Nampiray ny Malagasy tsy vakivolo ny fahombiazan’ny Barea, any amin’ny Can 2019 any Egypta. Noho izany fankafizana izany, samy miezaka ny rehetra haneho izany ety ivelany sy ho fanohanana ny mpilalao.  Tao anatin’ny andro vitsy monja, niroboroboa  ny zaitra sy ny asa tanana malagasy. Misy ny “maillot” tena izy, efa nampahafantarina ny maro, saingy, angamba noho ny vidiny tsy takatry ny maro sy ny fahalaniany, nipoitra ho azy ny karazana “T-shirt” miloko maitso na fotsy na mena, misy ny sary famantarana ny Barea sy ny soratra maneho  ny “Barea”.

Hita izany any amin’ny tambajotran-tserasera,  betsaka ny mamokatra sy mivarotra “T-shirt”. 15.000 Ar hatramin’ny 30.000 Ar ny vidiny, arakaraka ny habeny sy ny kalitaon’ny lamba. Efa mitobaka ihany koa ny “T-shirt confection” na ny hoe zaitra an-tsena.

Ahitana azy ireny ny tsena Pochard sy Andravoahangy. Tsy sarin’omby kosa  anefa ny ataon’ny sasany fa sary famantarana ny klioba mpanao baskety “Chicago Bulls”. Ny an’ny hafa indray, sarin’omby ihany, saingy amin’ny fomba hafa ny hanehoany azy, miaraka amin’ny sarin’aloalo.

Tsy “T-shirt” ihany  fa misy koa ny kojakoja samihafa ahitana ny sary famantarana ny Barea de Madagascar sy ny soratra “Alefa Barea”. Anisan’izany ny “auto-collant”, ny “porte-clef” ary ny satroka. Haingana dia haingana ihany koa ny fanamboarana sy ny fivarotana kapa misy soratra “Alefa Barea”, izay efa mitobaka eny an-tsena rehetra eny.

Midika izany rehetra izany fa miantraika amin’ny asa fiveloman’ny Malagasy sasany koa ny lazan’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izao Can 2019 izao. Matoa izy ireny miroborobo, betsaka ny mpanjifa.

Landy R.  

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique