Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana: lasan’i Mbolatiana ny voalohany amin’ny “gateau  Barea”

Fifaninanana: lasan’i Mbolatiana ny voalohany amin’ny “gateau  Barea”

Ny sanganasan’Andrianarisata Fetraniaina Mbolatiana no nosafidin’ny mpikambana (manodidina ny 4 000 mahery) anatin’ny vondrona Thierry FoodSolutions ho miavaka sy mendrika indrindra ary naneho ny lohahevitra Barea tamin’ny fifaninanana manamboatra mofo mamy amin’ny lohahevitra Barea, ny faran’ny volana teo. Samy nandefa ny sarin’ny vokatra vitany avokoa ny mpandray anjara rehetra manerana ny Nosy fa izy, izay avy eto Antananarivo no naharesy lahatra ny rehetra. Loka maro toy ny fitaovana samihafa no azony avy amin’ny mpikarakara entiny hanatsarana ny fanamboarana mofo mamy. Teny am-piandohana, fialamboly ankafiziny ny manao mofo mamy ary nivadika ho asa fivelomana taty aoriana na dia manana Masters en économie sy gestion aza izy, araka ny nambarany, omaly. Voalazany fa efa mivoatra be ny fanamboarana mofo mamy eto amintsika na eo amin’ny fitaovana sy ny kalitao ary ny maodely. Ny olona mpanafatra fitaovana sy akora rahateo miezaka mampahafantatra ny zava-misy malaza any ivelany. Ny Malagasy rahateo tsy miandry fanamarihana fety na zavatra manokana eo amin’ny fiainana vao manao famandrihana (commande) fa ankafiziny fotsiny ny mihinana mofo mamy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.