Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fibatana fonjamby: nahazo medaly 6 ny malagasy

Fibatana fonjamby: nahazo medaly 6 ny malagasy

Toy ny efa mahazatra, tsy nanaiky raha tsy nitondra medaly, nody, ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, faritra faharoa, taranja fibatana fonjamby, natao tany Kenya. Medaly volamena 5 sy volafotsy 1 no norombahan’i Madagasikara. Ity fifaninanana ity izay tafiditra ihany amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika 2020 any Tokyo.

Mpibata fonjamby miisa 6 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara, tany Kenya ary samy nahazo medaly avokoa. Ny 5 hahitana an’i Rosina, i Vania, i Eric, i Ricardo ary i Tojo dia samy nahazo medaly volamena avokoa. Medaly volafotsy kosa no norombahan’i Sitraka. Raha hiverenana izay voka-dalao izay, toy izao ny voabatan’ireto atleta malagasy ireto, ka nahazoany ny “Total Olympique” sy nibatany ny fandresena:  Rosina, arrachée 68, épaulé jété 80, Total Olympique 148. Vania arrachée 82, épaulé jété 100, total olympique 182. Ricardo arraché 100, épaulé jété 120, total olympique 220. Eric arraché 100, épaulé jeté 147, total olympique 247. Tojo Arraché 130, épaulé jeté 160, total olympique 290. Ho an’i Sitraka kosa izayy nahazo medaly volafotsy, toy ny voabatany 79 ny arrachée, épaulé jété 102, total olympique 181.

Ny fahombiazana toy moa no azo dia ny fanohananan’ny mpitantana, ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja fibatana fonjamby, Andrimanarivo Harinelina, izay notoloran’ireto atleta fisaorana manokana. Teo ihany koa ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamatoa Minisitra Tinoka Roberto, Ramatoa Tale Jeneralin’ny Spaoro, Rakotozafy Rosa izay tsy manadino ny atleta malagasy, mahatsapa ny marary azy ireo ary miasa mafy hahazoan’ny atleta vokatra tsara.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique