Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dr Raveloharimisa Joël Luc: “Isika tsy misakana izay te ho tafita

Dr Raveloharimisa Joël Luc: “Isika tsy misakana izay te ho tafita

« Hiratra », hetsika, omaly tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina, nomanin’ny Asa ho an’i Madagasikara (AM), ivondronan’ny fikambanana 12 misahana ny tanora, ny mpianatra, ny mpiasa, ny mpiara-miombon’antoka … Mahiratra ny tanora fa mila torolalana hanomanana ny hoaviny hiatrika ny tena fampandrosoana. Izay ny foto-kevitra nentin’ny AM niantsoana tanora, ray aman-dreny, mpiara-miombon’antoka. Lohahevitra telo lehibe nentina tamin’io “Hiratra” io : fahitana vatsim-pianarana sy fomba fangatahana izany ; torolalana ho an’ireo tanora momba ny lalam-piofanana mety ho tsara aminy ; ny lafiny tsara sy ratsy momba ny fampiasana tambajotra sosialy (facebook).

Maro ny tanora liana tamin’ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra isanisany avy amin’ny fikambanana mandrafitra ny AM. Nandrasan’ny maro ny fanazavana momba ny vatsim-pianarana nentin’ny Dr Raveloharimisa Joël Luc, mpampianatra any Etazonia. “Betsaka ny vatsim-pianarana fa izay mahita tsy manambara ny fombafomba mety hahazoana izany. Isika anefa tsy misakana izay te ho tafita. Kolontsain’ny manampahaizana any amin’ny firenena miteny anglisy ny hoe : Iza no handimby ahy ?”, hoy Dr Raveloharimisa Joël Luc. Ny olona no harena.

Maro ny mpanome vatsim-pianarana

Nampahafantarina ny santionany amin’ireo mpanome vatsim-pianarana, ny fepetra takin’izy ireo sy ny tranokala fifandraisana. Amin‘ny ankapobeny, ny fianarana any ivelany manomboka eo amin’ny “maîtrise”…Anisan’ny nambara, ohatra, ny any Etazonia ; Kanada ;  Alemaina ; Frantsa ; Educafrica, ho an’ny tanora aty Afrika ; Aga Khan ; Rotary Foundation ; Banky iraisam-pirenena ; ireo masoivoho vahiny sasany, sns … Fa ny tsara ho fantatry ny tanora voalohany, ny lalam-piofanana tiana atao sy ny oniversite tiana idirana.

Mitohy any Antsirabe anio ny hetsika “Hiratra” ; any Ambatondrazaka, ny 14 jolay noho ny fiaraha-miasa amin’ny AZ Radio, tarihin-dRazara Pierre Fidèle, solombavambahoaka any an-toerana. Tsara ho fantatra fa mandefa fandaharana manokana ataon’ny Dr Raveloharimisa Joël Luc ny AZ Radio (Fm 101.8). Tsy misy fijerena loko politika izany fa ny hahasoa ny taranaka malagasy no tanjona.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique