Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bezà  Mahafaly: hisarihina mpizahantany

Ampolo taony maro ny efa nitantana ny ala voajanahary ao anatin’ny valanjavaboary manokana Bezà Mahafaly taorian’ny fifanarahana niaraka amin’ny Ampanjaka ny sekoly ambony misahana ny hay famokarana (ESSA) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, amin’ny alalan’ny sampana agroécologie, biodiversite et changement climatique. 25 taona kosa ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagascar National Parks sy ny ESSA momba ny fampandrosoana ny fikarohana hanatsarana ny fitantanana ny ala sy hiarovana ny tontolo iainana. 25 isan-taona ny mpikaroka avy amin’ireo sampana ireo midina ao anatin’ny valanjavaboary mijery ny biby sy ny zavamaniry ary ny toetry ny tany. “Harafitra ho antontanisa sy antontan-kevitra ampiasaina amin’ny fametrahana ny zaha voary hisarihana ny mpizahatany  izany”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarijaona Mamy, teny Ambatobe ny talata teo. Mampiavaka ny valanjavaboary Bezà Mahafaly ny fisian’ny sifaka sy ny Maki, vorona , sokatra sy biby mikisaka amin’ny tany maro. Ahitana ala miaro ny rano tsy ho ritra koa ao. Manana andraikitra amin’ny fanofanana ny mpianatra mpanao fikarohana koa ny valanjavaboary ary efa maro ireo nahazo diplaoma taorian’ny famoahana valim-pikarohana. Amin’izao fotoana izao, efa mampiasa ny fitaovana entin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fikarohana sy ny fitantanana ny ala miaraka amin’ny ekipa mpikaroka.

Vonjy A.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique