Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: tratra ireo jiolahy nisandoka ho manana merkiora sy mena-bato  

Antsirabe: tratra ireo jiolahy nisandoka ho manana merkiora sy mena-bato   

 

Io indray! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Commissariat Central (CC) Antsirabe, ny 2 jolay 2019 hariva teo tao Antsirabe ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta sy fampiasana taratasy hosoka.

Araka ny fanazavan’ny polisy, efa misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fisolokiana ataon’ireto jiolahy tratra ireto. Milaza ry zalahy fa mahita merkiora, uranium ary mena-bato ary tsy vitan’izay fa nanamafy amin’ireo olona nosolokiany izy ireo fa tena misy ireo zavatra voalaza ireo. Rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana anefa ny polisy dia fantatra fa tsy misy avokoa ireo voatanisa rehetra ireo fa fisolokiana tsotra izao fotsiny ny ambadik’ireto resaka merkiora sy mena-bato ireto. Taorian’ny fitarainana sy ny angom-baovao voarain’ny polisy miasa ao amin’ny CC Antsirabe dia napetraka ny vela-pandrika, tratra noraisim-potsiny ireo jiolahy. Tratra tany amin’izy ireo koa ny taratasin-tany hosoka, ny vola sandoka, ny merkiora sy mena-bato ary ny uranium sandoka. Tsikaritra koa tato ho ato fa tsy mety fay amin’ity resaka fisolokiana ity ny ankamaroan’ny olona. Mora voarebireby amin’ny zavatra tsy misy dikany, te ho miliaridera tampoka ka mora andairan’ny hosoka sy ny fisolokiana. Misy aza mahavita mivarotra tanin-drazana mihitsy amin’ny resaka merkiora sandoka ity.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique