Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alasora: jiolahy nahatrarana bala sy entana halatra

Alasora: jiolahy nahatrarana bala sy entana halatra

Noraisim-potsiny! Fiaraha-miasa amin’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Alasora sy ny fokonolona ao Ambohidrazaka no nahasamborana jiolahy iray 24 taona monina eny Ambohimanatrika Tanjombato. Saika hamaky trano eny amin’iny faritra iny, ny alahady vao maraina teo. Tratra tany amin’ity jiolahy ity ny moto Scooter sy sakaosy iray nisy baramina, antsibe, flesy ary balana PA 7,65mm. Tsy vitan’ireo ihany fa tratra tany aminy koa ny entana halatra toy ny volafotsy, telefaonina finday miisa telo ary vola madinika mitontaly 30 000 Ar izay vao avy nangalarina tamina vaky trano niseho teny Ambohimangakely nataon’ireo jiolahy, tamin’io fotoana io, ihany. Tafaporitsaka kosa ny naman’ity jiolahy ity. natolotra ny fampanoavana, omaly izy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ao Alasora sy ny borigadin’Ambohimangakely.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique