Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Kila hotohoton’ny afo ny taksiborosy Sprinter iray, omaly tolakandro tao Ampanefena Sambava. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetan’ny fiara fa avotra soa aman-tsara koa ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara. Tsy nisy ny maty na naratra na teo aza ny fijoalajoalan’ny afo fa tafavoaka avokoa ireo olona rehetra tao anaty fiara. Tsy nisy noraisina intsony ilay fiara fa korontamby sisa niangana. May niaraka tamin’ilay fiara koa ny ampahany tamin’ireo entan’ny mpandeha.

Taksiborosy iray nivadika tany ambanivohitr’Ambohimahavelona distrikan’i Toliara II, omaly. Miisa 14 ireo mpandeha naratra tao amin’ity taksiborosy ity ka nentina haingana nihazo an’i CHU Tanambao Toliara. Voalaza fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Efa nidina nanao fanadihadiana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra.

Betsaka ireo nahatsikaritra fa efa mipetraka eny amin’ny toerana fametrahana takelaka doka varotra ny laharana telefaonina azo antsoina haingana raha misy trangan-javatra mitranga tampoka eny anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Natao izao mba hanampiana ny rehetra manoloana ny tsy fandriampahalemana.

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique