Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny fivoahan’ny rakikira: hiaka-tsehatra etsy amin’ny CCEsca i Farakely

Taorian’ny fivoahan’ny rakikira: hiaka-tsehatra etsy amin’ny CCEsca i Farakely

Nisy fihaonana nifanakaikezan’i Farakely tamin’ny mpankafy azy, nandritra ny namohana ny ny rakikira vaovao, volana vitsivitsy lasa izay. Nifandimby ireo liana te hafantatra sy efa mpankafy tamin’io tontolo andro io, tetsy amin’ny Karibotel Analakely… Fanontaniana niverimberina tamin’izany ny hoe “Rahoviana ny fampisehoana?”
Voavaly izao ny fanontaniana. Hotontosaina ny 21 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena ilay fampisehoana hisedran’i Farakely irery ny sehatra goavana voalohany. Fomba fiteny ihany izany, fa sady tsy vao izay no hiaka-tsehatra lehibe, no tsy handeha irery ihany koa ity mpanakanto ity. Hisy namany hifanotrona azy amin’io fotoana io, araka ny efa fantatra amin’ny dokambarotra. Eo hatrany koa ireo mpanakanto mpitendry, izay nandray anjara tamin’ny rakikira, toa an-dry Sefo Nonoh, Hoby ary Tsitohaina eo amin’ny gitara,  Andry Zanaray sy i Riri ary Jack Thierry eo amin’ny tamin’ny amponga sy ny zavamaneno ravaka ary i Jhaleky eo amin’ny angorodao.
Mazava loatra fa tafiditra anatin’ny fampahafantarana ny rakikira “Nofiko” ny seho. Tsikaritra fa efa miparitaka amin’ireo fahitalavitra ilay rakitsary “Malagasy”, ao anatin’ity vokatra ity…

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.