Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sekoly Rary: hofaranana amin’ny “Kolovona” ny taom-pianarana

Sekoly Rary: hofaranana amin’ny “Kolovona” ny taom-pianarana

Hifarana amin’ity volana jolay ity ny taom-pianarana dihy ao amin’ny sekoly Rary. Hiavaka ny fanamarihana izany, ny 27 jolay izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, izay hanatanterahana ny “Kolovona 2019”.

Seho goavana, handraisan’ny ankizy manodidina ny 500 anjara, no hoentin’ny sekoly Rary, mampianatra dihy, mamarana ny taom-pianarana 2018-2019. Nampitondraina ny lohateny hoe “Kolovona” ny hetsika, izay hotontosaina ny 27 jolay izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Fampisehoana efa fanaon’ity toerana mampianatra dihy, tantanin-dry Ariry Andriamoratsiresy, ity isaky ny famaranana ny taom-pianarana ny “Kolovona”. Karazana sehatra hanehoan’ny mpianatra ampahibemaso ny vokatry ny asa vita, nandritra ny taom-pianarana, izany. Marihina fa, ankoatra ny “Kolovona”, maro ny hetsika karakarain’ny Rary, mandritra ny taona, ho fampiharana ny fahalalana azon’ny tsirairay.

Fotoana hihaonan’ny samy mpianatra, hanamafisana ny firaisankina sy ny fifanakalozana fahalalana ihany koa io. Marobe, araka izany, ny sekoly mampianatra dihy sy sekoly ahitana fampianarana dihy nasaina handray anjara amin’ny “Kolovona”. Anisan’izany ny sekoly Riambita 4FAA, ny Centre Aina (Isotry, Laniera, Antanandrano, Malaza), ny Tanora Espace Tokotanibe, ny Ecole Rabefidihy sy ny Ecole Rianala, sns.

Marihina fa maimaimpoana ny fampisehoana, izay ahitana ankizy amin’ny sokajin-taona rehetra, hatramin’ny tanora.

Randria.  

 

Les commentaires sont fermées.