Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nampiady akoho: tratra ilay jiolahy nanolana vehivavy bevohoka

Nampiady akoho: tratra ilay jiolahy nanolana vehivavy bevohoka

Voasambotry ny polisin’ny Sut ny iray amin’ireo jiolahy telo tompon’antoka tamina fanolanana sy fanendahana mpivady (niharan’ny fanolanana kosa ilay renim-pianakaviana) teny Namontana, ny faran’ny herinandro teo…

Raha ny fanazavana nampitain’ny polisy, teny amin’ny faritra Anosizato no nitrangan’ity fanendahana niharo fanolanana ity, ny alin’ny alahady 16 jona 2019 lasa teo. Tamin’io fotoana io, mpivady andeha hody teny  Namontana no narahina jiolahy miisa telo. Nony tonga tamina toerana mangingina izy ireo dia nosakanan’ireo olon-dratsy ka nodarohin’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana. Rehefa tsy nahatsiaro tena dia narian’izy ireo tany anaty tatatra. Ilay renim-pianakaviana izay nitondra vohoka roa volana an-kibo kosa dia nentin’izy ireo tamina toerana iray tsy lavitra teo ka nanamparan’ireo jiolahy ny filàn-dratsiny. Sahabo tamin’ny 2 ora maraina vao navotsotr’izy ireo ilay renim-pianakaviana. Noho izany voina nahazo azy izany, tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny polisin’ny Sut izy mivady, ny alatsinainy 17 jona 2019 lasa teo. Nilaza ilay vehivavy voaolana nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa tsaroany avokoa ny endrik’ireo nanolana azy noho izy ireo tsy nisaron-tava. Nandritra ny fanadihadiana àry dia fantatra ny fonenan’ireo olon-dratsy izay mpirahalahy avokoa. Tamin’ny fandalovan’ny polisy tao amin’izany toeram-ponenany izany anefa dia efa tsy tao intsony ry zalahy. Nahazo antso ny polisy, ny alahady 7 jolay 2019 hariva teo milaza fa mampiady akoho amina toerana iray ao Anosizato ireo olona karohina ireo. Tonga haingana  teny an-toerana ny polisy ka voasambotra ny iray amin’izy telo lahy raha tafaporitsaka kosa ny roa lahy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique