Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk »

Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk »

« Ny fiarahamonina manoloana ny fitarihan’ny tanora ». Io ny lohahevitry ny « E-talk », hotanterahin’ny masoivoho amerikanina eto amintsika, ny 16 jolay izao, eny Andranomena. Fiteny matetika ny hoe ny tanora ny hoavin’ny firenena. Araka izany, anisan’ny andrin’ny fampandrosoana ny tanora.

Hita ho mihamaro ny hetsika hanentanana ny tanora amin’ny fitarihana amin’ny sehatra misy azy, toy ny amin’ny lafiny fihariana sy ny raharaha sosialy eny anivon’ny fiarahamonina. Haneho ny heviny sy hijoro vavolombelona amin’izany fitarihana tanora izany i Najaina Kanto Tovohasimbavaka.

Mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny tanora manodidina ny 5 taona sy mpilatsaka an-tsitrapo, Mpanazava eto Madagasikara, ny tovovavy. Miasa ao amin’ny fandaharanasan’ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Firenena mikambana izy sady mpikambana tao amin’ny fikambanana fampandrosoana ny tanora, antsoina hoe Youth First, nandritra ny 3 taona. Tanora mpitarika nisitraka ny fandaharanasa Mandela Washington Fellowship ihany koa izy, tamin’ny taon-dasa. Entanina manokana hanatrika izao famelabelaran-kevitra izao ny tanora.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique