Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy eran-tany: norombahin’ny Amerikanina

Kitra vehivavy eran-tany: norombahin’ny Amerikanina

Nifarana, omaly alahady, ny fiadiana ny amboara eran-tany, baolina kitra vehivavy, ka nibatan-dry zareo Amerikanina ny fandresena, tamin’ny isa 2 no ho 0, nanoloana ny ekipan’i Pays-Bas, tao amin’ny kianjan’ny Parc Ol, ao Frantsa. Tamin’ny alalan’ny penalty nodakan’i Megan Rapinoe, teo amin’ny minitra 61, ny nanokafan’i Etazonia ny isa ho azy ireo. Niezaka nanindry ary nanova taktika ry zareo Neerlandais, nanomboka teo, saingy tsy nahatoraka ireto vehivavy amerikanina ireto. Niditra indray ny baolina faharoa, ho an’i Etazonia, teo amin’ny minitra faha-69, tamin’ny alalan’i Rose Lavelle. Tsy nisy fiovana intsony nanomboka teo ny endri-dalao teo amin’ny roa tonta. Tsahivina fa fisalorana ny anaram-boninahitra faninefatra izao ny azon’ny Amerikanina, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny lalao baolina kitra vehivavy.

Marihina fa tafapetraka eo amin’ny laharana fahatelo ny ekipan’ny Suède, taorian’ny lalao fiadian-toerana nifanandrinany tamin-dry zareo Angletera. Isa 2 noho 1 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-piafaran’ny fe-potoana ara-dalana.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique