Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 «Can 2019» miaiky izao tontolo izao: tafita amin’ny 1/4-dalana ny Barea

 «Can 2019» miaiky izao tontolo izao: tafita amin’ny 1/4-dalana ny Barea

Manohy ny lalany ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Resiny, teo amin’ny ampahavalon-dalana, ny Leopard-n’i Kongo. Fandresena miezinezina ho an’ny Malagasy,… nampiaiky izao tontolo izao!

Nanoratra tantara vaovao, eo amin’ny baolina kitra afrikanina, indray ny Barean’i Madagasikara. Fandresena miezinezina ny azony, omaly, nanoloana ny Leopard-n’ny RD Kongo, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra.

Manohy ny diany mankany amin’ny ampahefa-dalana indray ny Barean’i Madagasikara. Miaiky izao tontolo izao, ary vaky vava ireo mpanao gazety maneran-tany fa mahay ny Malagasy ary tena ekipa kely, toa an’i Davida, nandavo an’i Goliata. Nanimba sy nanapotika ireo firenena goavana rehetra, eto Afrika, tamin’ity “Can 2019” ity.

Raha hiverenana ny fihaonana, omaly tao amin’ny kianja Alexandrie, resin’ny Barean’i Madagasikara, tany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 2, ny Kongoley. Fihaonana nampitaintaina, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ary nila hanampina ny fofonain’ireo rehetra nijery sy nanaraka izany mivantana.

Nitarika anisa hatrany ny Barea, ary nanenjika ry zareo Leopard-n’i Kongo. Nahatafiditra ny baolina voalohany i Ibrahim Amada, teo amin’ny minitra faha-9, tamin’ny alalan’ny daka mandrivorivo.

Varimbariana kely ny Barea

Nifamaliana avy eo ny fanafihana ary niezaka nanao izay ho afany ry Maghoma sy ry Mulumbu, saingy nahay niaro tena hatrany ry Bapasy sy i Metanire ary i Fontaine. Na izany aza, nisy fotoana somary natoritory ny Barea, hany ka nanao totoafo ny Kongoley. Nosahalainy mihitsy izany, teo amin’ny minitra faha-21, tamin’ny alalan’i Bakambu. Io isa 1 sy 1 io ny nentin’ny roa tonta niala sasatra.

Samy niezaka nitady irika namonoana baolina ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nitarika indray ny Barea, taorian’ny tolotra nataon’i Metanire, ho an’i Ima, izay namono ny baolina tamin’ny lohany, teo amin’ny minitra faha-77. 2 no ho 1 ny isa teo. Nanidy trano ny Barea avy eo, saingy totoafo ny fanafihan’ny Kongoley. Nosahalain-dry zalahy izany, tany amin’ny 89 mn. Voatery niditra teo amin’ny fanalavam-potoana ny roa tonta, saingy tsy nisy ihany ny baolina tafiditra. Afa-bela tamin-dry zareo Kongoley ny Barean’i Madagasikara . Izay tafavoaka amin’i Tonizia sy i Ghana, amin’ny lalao anio, no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.