Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Barea hatramin’ny farany!

Barea hatramin’ny farany!

Henjana ao anatin’ny henjana ! Io ny azo ilazana ny Barea taorian’ny fandresena miezinezina azony, omaly, tao anatin’ny lalao ampahavalon-dalana, nifandonana tamin’ny ekipan’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Misandratra avo ny voninahi-pirenena malagasy, nisongadina tao anatin’ireo firenena noheverina ho voadingana eo amin’ny sehatry ny baolina kitra afrikanina i Madagasikara. Faly ny vahoaka malagasy! Nidera eram-po eran-tsaina ireto maherifon’ny Malagasy ireto i Madagasikara iray manontolo, niaiky izao tontolo izao. Ny Barea hatramin’ny farany, tsy maintsy mandresy! Io ny ambentin-teny re teny am-bavan’ny rehetra, mandra-maraina ary hitohy hatramin’ny farany, hanosika ny Barea ho amin’ny ambony hatrany. Alefa Barea! Alefa hatramin’ny farany, manohana ary miara-mirona ny Malagasy 20 tapitrisa, ao an-damosina tsy hiala hatramin’ny farany.

Fitaintainana no niainana,  saingy fandresena ny setrin’izany rehetra izany! Hatramin’ny sengondra farany, tsy nisy niala fa nankahery, nitabataba, nivavaka ny rehetra. Nandresy ny Barea, hiakatra ho an’ny amin’ny ampahefa-dalana, tranga tsy nampoizin’ireo firenena mpifanandrina, saingy efa voasoratra ho an’ny Malagasy. Tantara iray tsy ho voafafa mandrakizay eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy sy ho an’i Madagasikara iray manontolo izao fandresena miezinezina izao, izay irariana hitohy hatramin’ny farany! Ny Barea hatramin’ny farany!

Samy naneho ny hafaliany ny rehetra, hafaliana tsy omby tratra, hafaliana nivadika ho fihavanana sy firaisankina, faly ny Malagasy! Raha izao herim-pontsika izao, ho lasa lavitra ny Barea an’i Madagasikara, nitondra anjara biriky lehibe ho fanomezana hery ireto mpilalaontsika ireto ny fiombonam-pon’ny Malagasy toy izao, hampitombo ny herijika, vao mainka hampisandratra amin’ny faratampony ny voninahi-pirenena, hiroso hatrany ny Barea, tsy miverin-dalana intsony. Lalana efa natomboka, tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany. Hatramin’ny farany, mandresy ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, Alefa Barea, Alefa hatramin’ny farany! Ao an-damosina hatrany ny Malagasy tsivakivolo!

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.