Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsingerin-taona  faha-40: miantso sy mivoy ny “Alefa Barea”  koa ny FFKM

Tsingerin-taona  faha-40: miantso sy mivoy ny “Alefa Barea”  koa ny FFKM

Hatreny anivon’ny fiangonana. Anisan’ireo mivoy ny “Alefa Barea” koa ny eo anivon’ny FFKM raha  nitafa tamin’ny mpanao gazety,  afakomaly. Nirary  soa sy nampahery ny ekipam-pirenentsika koa izy ireo ary mitondra am-bavaka ny solontenantsika any Ejypta. Tahaka  izany koa ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy. “Mitondra am-bavaka ny fiainam-pirenena  izahay” , hoy izy  ireo.  Na  izany  aza, nivoitra tamin’izany ny hanamarihana ny faha-40 taona nijoroan’ity rafitra iray iombonan’ny fiangonana kristianina eto amintsika ity.  Hanomboka amin’ity taona ity izany ary haharitra roa taona ao anatin’ilay teny faneva : “Hikambana tsara hiray saina sy hevitra”.  Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika maromaro izany  raha ny  nambaran’ny komity. Anisan’ireny ny fikarakarana fifaninanana hira faneva sy sary famantarana vaovao ho azy ireo. Azon’ny rehetra handraisana anjara, ny zanaky ny fiangonana FFKM manan-talenta  izany.  Eo anelanelan’ny 07 jolay ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ny handraisana izany manerana ny renivohi-paritany enina.

Namoaka ny andiany voalohany ny IPAE

Mialoha izany anefa, nivoaka ny alatsinainy  teo teny Ambohipo ireo 32 mianadahy,  ahitana mpitondra fivavahana sy laika ihany koa,  avy amin’ny fiangonana efa-tonta,  nanaraka ny fampianarana rafitra  “LMD” ao amin’ny  “Ivontoeram-piofanana ambony momba ny ekiomenisma FFKM”  (IPAE). Ezahin’ireo 32 mianadahy ireto ny hampita ny fiofanana momba fampiraisam-pinoana amin’ny andraikitra isanisany efa notanan’izy ireo tany amin’ny fiangonana nisy azy avy.  Nisy fanapahana mofo mamy niarahana, taorian’ny fivavahana iraisam-pinoana.

Synèse  R.

Les commentaires sont fermées.