Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny baolina arahina, ny fiainana atrehina…

Ny baolina arahina, ny fiainana atrehina…

Ho tantara mipetraka ho an’i Madagasikara tokoa ny fivoaran’ny baolina kitra eto amintsika. Tsy ny eto an-toerana ihany, fa indrindra eo amin’ny tantaran’ity taranja ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Voninahitra, reharehan’ny firenena izany ary samy misitraka azy avokoa ny Malagasy 25 tapitrisa. Na inona na inona ho vokatry ny ampahavalon-dalana amin’ny alahady ho avy izao, efa voasoratra ao anatin’ny tantara ny fiatrehana voalohany ny fifaninanana Can 2019. Tantara mipetraka tsy azo kosehina ny naha voalohany antsika ao amin’ny vondrona nisy an’i Madagasikara, indrindra koa ny naharesena an’i Nizeria, 2 no ho 0, ekipa efa mpiatrika ny lalao “Mondial”. Miandrandra ny hitohizan’izany tantara izany ny rehetra, ary manantena fa tsy hikely soroka hanohy ny ezaka vitany ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis, nanomboka ny taona 2017.

Ho azo antoka fa hanana fijery sy paikady vaovao ny fanjakana hampiroboroboana bebe kokoa ny sehatry ny baolina kitra eto amintsika, indrindra koa ny taranja hafa, izay efa nampitomboana 200 miliara Ar fanampiny, ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, araka ny tetibola nasiam-panitsiana LFR 2019 farany teo.

Etsy ankilany, tsy maintsy atrehina sy tsinjovin’ny fanjakana koa ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Laharam-pahamehan’ny fitondrana rahateo ny fampandrosoana, hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka, indrindra ny ady amin’ny fahantrana, izay tsy mbola resy aloha hatreto. Tapitra rahateo ny fe-potoana enim-bolana “andrana”, hanombanana ny zava-bitan’ny minisitera tsirairay ary handraisan’ny filoham-pirenena fanapahan-kevitra mikasika ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta. Raha nahavita ezaka lehibe mendri-piderana ve ny Barea, tsy tokony hikitika ny hambom-pon’ny mpanatanteraka ao amin’ny fitondrana koa ny hahavitany tsara kokoa, mba ho tena Madagasikara tsy maintsy mandroso?

Njaka Andriantefiarinesy

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique