Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitakian’ny zanak’i Fandriana: « Avoahy any am-ponja ny depiote IRD Hasimpirenena »

Fitakian’ny zanak’i Fandriana: « Avoahy any am-ponja ny depiote IRD Hasimpirenena »

Nampiaka-peo. Niakatra eto an-dRenivohitra mihitsy,  taorian’ny namoahan’ny HCC ny  voka-pifidianana ireo solontenan’ny vahoaka avy any amin’ny distrikan’i  Fandriana. Hentitra  ny nambaran’izy  ireo.

Takinay tsy misy fepetra  ary ato anatin’ny fotoana fohy  ny  hamoahana ny  depiote Hasimpirenena any am-ponja…  Kandidà IRD neken’ny filoha  Rajoelina izy  ary nisongadina. Manana zo amin’ny maha solombavambahoaka azy, hifidy praiminisitra sy ny ho mpikamban’ny  birao maharitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Zony izany amin’ny maha mpisolo vava ny vahoaka azy. Aoka  tsy hopotehina noho  ny resaka  politika  ny  zony”, hoy ny solontenan’ny zanak’i Fandriana sy ny kandidà nifaninana tamin’ity depiote voafidy ity, tetsy Manakambahiny,  omaly  raha  nitafa  tamin’ny mpanao  gazety. Nohitsin’izy ireo fa tsy zava-dehibe noho ny fampandrosoana an’i Fandriana  sy i Madagasikara ny “Raharaha Villa Elisabeth”.  “Tsy ny depiote Hasimpirenena no notorin’ny mpomba ny Pr Zafy momba  io tany  io  fa ny  fanjakana…  Miriaria any fa tsy nenjehina Reboza Julien, tompon’antoka tamin’izany ary nanome baiko. Misy  ny mizana tsindrin’ila… Ataovy ny fitsarana ahitana na meloka  izy na  tsia”, hoy  ihany izy ireo  tamin’ny feo avo.  Nanterin’izy ireo fa midika  ho tsy  firaharahana ny vahoaka sy ny safidin’ny any Fandriana izao raharaha izao  ka niantsoan’izy ireo  ny amin’ny tokony hifanajana.  “Resaka fifidianana ity ary nisy safidim-bahoaka  ka tsy misy fifampiraharahana amin’ny fanjakana. Hafa indray raha hoe resaka fanendrena ny raharaha”, hoy ihany izy ireo.

Araka izany, miandry ny ho tohiny ireto zanak’i Fandriana  ireto.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.