Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba tsy handalo fotsiny!

Mba tsy handalo fotsiny!

Mbola ambentin-teny sy tsy afaka am-bavan’ny maro hatrany ny Alefa Barea. Sarona ny fahantrana, hadinodino eny ny adin-tsaina sy ny rotoroto andavanandro, ny adilahy politika sy ny fiantsiana isan-karazany. Nisy fiantraikany mivantana sy nanova ny fiainana ankapoben-dRamalagasy ny fandresena goavana ka nahatafakatra an’ny Barea ho amin’ny ampahavalon-dalana, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra. Tsapa fa tsy misy afa-tsy ny fanatanjahantena no mampiray ny Malagasy, firaisankina sy firaisan-tsaina antenaina fa ho lasa fiainana fa tsy mandalo fotsiny noho izao fandresen’ny Barea izao.

Mbola hiatrika ny ampahavalon-dalana ny maherifon’ny Malagasy, ny alahady izao, ka mila hatrany ny fanohanan’ny vahoaka malagasy, antony nahatonga ny fitondram-panjakana nanapa-kevitra ho any Egypta izany ary tsy handeha irery ny filoha fa hitondra mpanohana maro, amin’ny alalan’ilay dia iraisana amin’ny sarany mora, ho an’ny Malagasy manana fahafahana amin’izany. Fanohanana hampitombo ihany koa ny fiombonan’ny Malagasy, izay tsy handalo fotsiny fa irariana ho hita taratra amin’ny andavanandrom-piainana mihitsy, haseho amin’ny fihetsika, ny firesaka, ny toe-po ary ny fisehoana ivelan’ny isam-batan’olona. Tsy ho amin’izao fahombiazana izao ihany fa amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny sehatra rehetra no ilàna ny fiombonana sy ny firaisankina. Hiverina ny lazan’i Madagasikara mahakasika ny fahaizana mihavana sy mifanampy, ho vita ho azy ihany koa ny fampihavanam-pirenena izay sarotra ho an’ny mpitondra nifandimby ny namerina ny fahendren’ny Ntaolo dia ny hoe “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Raha tanteraka izany, handresy i Madagasikara fa tsy ny Barea irery ihany. Ho resy ny fahantrana, ho voasolo fifankatiavana ny fanavakavahana sy ny fihantsiana maro etsy sy eroa. Ho fandresena maharitra fa tsy handalo fotsiny ho an’ny Malagasy anie izao fahombiazan’ny ekipam-pirenentsika, ny Barea an’i Madagasikara, izao.

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique