
Zara raha misy mpijery eny an-kianja ny “Can 2019” any Egypta. Rehefa milalao ihany i Egypta vao feno ny kianja, toy ny tamin’ny lalao fanokafana nihaonany tamin’i Zimbabwe, nisy mpijery 75 000. Ny lalao rehetra ankoatra izay, 8 000 ny olona tonga raha be indrindra. Tamin’ny fifandonan’ny Barea sy i Burundi, ohatra, 6 000 monja ny mpijery. Mahagaga ny mpanara-baovao maro ihany izany toe-javatra izany. Na ireo lalambe mankany amin’ny kianja misy ny lalao rehetra aza, mangingina tsy ahitana olona.
Inona ny antony?
Tsy mahataitra an-dry zareo Egyptianina ny ekipa vahiny hafa, nefa tokony hahasarika azy ireo izao “Can” voalohany ahitana firenena 24 izao. Mahatsapa koa ny mpijery fa lafo loatra ny vidim-pidirana: 5, 15, 26 euros (20 000 ariary ny mora indrindra). Maro ireo naneho ny tsy fahafaliany momba io vidim-pidirana io. Ary mbola nohasarotina koa aza ny fomba fivarotana tapakila, ho fitandroana ny fandriampahalemana, toy ny nataon’ny Fifa voalohany tany Rosia nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2018.
Antony iray hafa, niova tamin’ny fotoana farany ny firenena mandray ny lalao, i Cameroun navadika any Egypta. Nampiova fandaharam-potoana ho an’ny maro izany, nampitombo ny saran-dalana sy ny hofan’ny toerana hipetrahana.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.