Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombim-baovao

Atleta hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Nitety ireo “site” hipetrahan’ireo atleta manoman-tena amin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, ny teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nisy ny fanomezana vola 20.000 ariary isaky ny atleta, solona harendrina ho an’ireto ankizy ireto nandritra izany. Ramatoa Lina, Talen’ny “Ressources Humaines” sy Ramatoa Harinandrianina Adeline Zarinah, talen’ny “Relèves” no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra, nitsidika teny amin’ny M Hotel Ampefiloha sy Mada Hotel Bypass. Ho fankaherezana sy hahafahan’ireo atleta manao fety toy ny ankizy namany moa no anton’izao fihetsika izao, raha ny fanazavana nentin’ny avy eo anivon’ny MJS hatrany. Mitohy ny fanomanan-tena ary miezaka hatrany ny Minisitera manohana araka ny tokony ho izy ireto atleta malagasy ireto.

Fiofanana Rugby “Terres en mêlées”. Taorian’ny fifampizarana nomena ireo mpiofana miisa 44 mianadahy, ny herinandro lasa teo, notohizana tamin’ny fampiofanana ho an’ny mpampiofana izany, ny alatsinainy sy talata lasa teo, teny amin’ny ANS (Académie Nationale du Sport) Ampefiloha. Nozaraina sokajy roa ireo 25 sisa voasafidy hiatrika izany, ny 12 mianadahy nofanina manokana momba ny taranja rugby, ary ny 13 kosa nomena fampiofanana ho an’ny mpampiofana, ho amin’ny taranja rehetra. Niavaka ny tamin’ny fifampizarana nomena tamin’ny herinandro lasa teo ity roa andro farany ity satria nahitana ny maha izy azy ny mpiofana tsirairay sy ny sehatra manavanana azy avy. Voajery amin’ny antsipirihany tsara ihany koa ny mpiofana tsirairay satria nampitomboana ny fanaovana jery todika ho an’olon-tokana.

Nangonon’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.