Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby à 7 vehivavy – Aroi: firenena telo hiady ny lohany

Rugby à 7 vehivavy – Aroi: firenena telo hiady ny lohany

 

Hotanterahina, rahampitso zoma 28 sy ny asabotsy 29 jona, ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), taranja rugby lalaovina olona 7. Firenena telo no hiady ny lohany amin’izany, i Madagasikara sy Mayotte ary i La Réunion. Hiaro ny anaram-boninahiny, amin’ity ny Makis izay nandrombaka izany, tamin’ny taona 2018, tatsy La Réunion.

Etsy amn’ny kianja Alarobia, no hanatontosana ny andro voalohany, ka hanana ekipa efatra i Madagasikara, ankoatra an-dry zareo Reonionezy sy Mahorezy. Anisan’ny handray anjara koa  ny Makis, niatrika ny fanazarantena tany Japon, izay ho tonga amin’ity anio ity. Tsy mbola handray anjara izy ireo, amin’io zoma io, fa ny asabotsy vao hiditra an-tsehatra.

Eny amin’ny kianja Père Pedro kosa ny lalao faharoa, ny asabotsy ho avy izao, ka aorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, hisy lalao fitsapana, hikatrohan’ny ekipa voafantin’i Mayotte sy La Réunion amin’ny Makis de Madagascar.

Tsiahivina fa tokony ho notanterahina tatsy Maorisy, ity (Aroi 2019), saingy noho ny fanomanan-dry zareo ny lalaon’ny Nosy (JIOI), dia nafindra eto Madagasikara, izany.

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique