Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…  

Mendrika sy miavaka ho an’ny firenena…  

Efa nampoizina amin’izao fitondrana izao? Mendrika sy niavaka ny fankalazana ny andron’ny 26 jona. Nanome fahamendrehana sy fiavahana tamin’ny matso lehibe teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ohatra, ny vahiny nasaina manokana, ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, fitaratra amin’ny fitantanana, fampihavanam-pirenena…

Teo koa ny famoahana fanamiana sy fitaovana vaovaon’ny Foloalindahy: fiaramanidina, helikoptera, fiara 4 x 4, fiadiana… Niara-dalana tamin’ izany ny famindra haingana kokoa. Nisy ny fampisehoana fidinan’ny miaramila tamin’ny elonaina, ny fampisehoana hakingana isan-karazany: haiady, fiadiana amin’ny asan-dahalo…

Tamin’izany, niova, ohatra, ny arofenitra tamin’ny nisafoan’ny filohan’ny Repoblika sady filoha faratampon’ny Foloalindahy ireo nanao matso. Ankoatra ireo, teo ny hetsika teo aloha naverina toy ny kermesy nokarakarain’ny miaramila, ny alim-pandihizana, ny “podiums”… Niombonana sy nampiombona avokoa ireny rehetra ireny?

Inona na ahoana koa ny manaraka? Vita iny fankalazana, tsy nitsanga-menatra ny firenena malagasy, ny vahoaka malagasy, ny fanjakana malagasy… Miatrika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka indray izao! Mitondra inona eo amin’ny tsirairay iny fankalazana ny faha-59 taon’ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena iny?

Mba hisy amin’izay ny fiovana amin’ny fiaraha-mijery ny soa iombonana ho an’ny rehetra amin’ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay, ny fijerena lavitra ho amin’ny taranaka any aoriana amin’izay atao ankehitriny… Mbola lavitra sy be no atrehina, fa fisentoana na fihatahana  ahazoana maka vahana ny fetim-pirenena teo.

Toy ny tsy nahazoana mora ny hoe Fahaleovantena niadiana fo no mbola iadiana amin’ny tena fahaleovantena ara-toekarena sy ara-politika, ohatra. Mba tena ho mendrika izany tokoa i Madagasikara sy ny Malagasy? Miavaka fa tsy mpanaraka ambokony ny hafa, tsy mpiankin-doha, tsy manaiky fitsabatsabahana… Kibo mitsara tena?

Rafaly Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique