Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2019»: tsy mahazo manao resy na sahala amin’i Borondi ny Barea

Kitra – «Can 2019»: tsy mahazo manao resy na sahala amin’i Borondi ny Barea

 

 Hanan-danja goavana, ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar, amin’i Borondi, amin’ity anio ity. Mila maka fandresena ny ekipam-pirenena Malagasy, raha te hiandrandra, ny ampahavalon-dalana, amin’ny “Can 2019”.

Hitodika any amin’ny kianja Alexandrie, avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity alakamisy ity, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiankina amin’ny vokatra ho azon’ny Barea, amin’ity andro faharoa, amin’ny fifanintsanana eo amin’ny vondrona “B” ity mantsy ny ho tohin’ny lalan’ny ekipam-pirenena Malagasy.

Tsy maintsy mitady fandresena, manoloana an’i Borondi, ny Barea de Madagascar, mba hahafahana miandrandra ny dingana ampahavalon-dalana. Araka izany, tsy afaka manao resy na ady sahala. Efa naneho ny fahavononana, amin’izany, i Bôlida, nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety, ny talata lasa teo. “Vonona izahay ny handresy ary hanolotra izany fandresena izany, ho an’ny Malagasy, noho ny tsingerin-taon’ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara”, hoy izy.

Etsy ankilany, efa mailo ihany koa ry zareo Boronde, ka hanova paikady, amin’ity fihaonana ity.

Tsy hanova firy, i Dupuis

Nitondra fanazavana, mikasika io lalao hifandonana amin’i Borondi, io ihany koa i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. Nohazavainy fa tsy hanova mpilalao firy, tamin’ireo izay efa niatrika an’i Ginea, ny tenany. Na izany aza, nomarihiny fa niankina amin’ny fanazarantena farany, natao omaly alarobia, ny ho 11 hijoro voalohany.

Nomarihiny manokana ny amin’i Faneva Ima, izay nahazo fanankianana betsaka indrindra, tamin’ny mpanao gazety sy ny mpijery. “Tena niady izy ary nanome ny faraheriny. Tsy misy mpilalao tsy maintsy esorina sy ampidirina izany, fa miankina amin’ny zava-misy eny ambony kianja ny paikady, apetraka”, hoy izy.

Ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar, izay niara-nisakafo tamin’ny vady aman-janany sy ny mpikambana eo anivon’ny “comité de normalisation”, omaly alarobia, 26 jona. Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 5 ora 30 hariva, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy i Borondi.

Tompondaka

Fandaharan-dalao anio :

Sokajy “B”

Kianja Alexandrie

05:30 hariva : Madagasikara # Borondi

Sokajy “D”

Kianja Le Caire

08:00 alina : Sénégal # Alzeria

11 :00 alina : Kenya # Tanzania

 

Les commentaires sont fermées.